Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-2

1 Ny amin'ny hahatongavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry rahalahy,

2 mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana hianareo, na ho azo ampitahotahorina foana, na amin'ny fanahy izany, na amin'ny teny, na amin'ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron'ny Tompo. 3 Aza mety hofitahin'olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana, 4 izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin'izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin'ny tempolin'Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza. 5 Tsy tsaroanareo va fa zavatra efa voalazako taminareo izany, fony aho mbola tany aminareo?

6 Ary ankehitriny, fantatrareo ny zava-misakana azy tsy hiseho amin'ny fotoan'androny. 7 Fa efa miasa sahady ny hevi-miafim-paharatsiana izao, saingy ilay misakana no mbola ao mandra-pihàtany, 8 ka dia hiseho amin'izany ilay ratsy, ka holevonin'i Jesoa amin'ny fofon'ain'ny vavany, sy hofoanany amin'ny fisehoan'ny fahatongavany. 9 Ary ny fisehoan'ilay ratsy, noho ny asan'i Satana dia homban'ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra, 10 sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an'izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena. 11 Hany ka anirahan'Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1307