Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana
Toko faha-2
13 Ary izahay, ry rahalahy malalan'ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho hianareo nofidin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, sy amin'ny finoana ny marina;14 ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin'izany, mba hahazoanareo ny voninahitr'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin'ny teny am-bava, na ny tamin'ny taratasinay. 16 Enga anie Jesoa-Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, 17 no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin'ny asa tsara aman-teny soa rehetra!