Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-5

1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,

2 satria efa mahalala marina rahateo hianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3 Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy. 4 Hianareo anefa, ry rahalahy, dia tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;

5 fa zanaky ny mazava avokoa hianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an'ny alina isika, na an'ny maizina akory. 6 Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2201