Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-3

1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin'Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny aty aminareo;

2 ary mba ho afaka amin'ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an'ny olona rehetra moa ny finoana. 3 Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin'ny ratsy. 4 Matoky anareo ao amin'ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay hianareo. 5 Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dàlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faharetan'ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1099