Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

12 ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin'izany anefa aho, fa fantatro izay ninoako, ary matoky aho fa izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-pihavin'izay andro izay. 13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

14 Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao. 15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan'ireny Figelo sy Hermogena.

16 Fa homen'ny Tompo famindram-po kosa anie, ry Onesiforo mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako, 17 fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Roma ka nahita ahy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1325