Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

8 Koa aoka hianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin'ny herin'Andriamanitra, 9 izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin'ny Kristy Jesoa, talohan'ny taona rehetra, 10 sy naharihary ankehitriny, tamin'ny nisehoan'i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika, ilay nanafoana ny fahafatesana, sy nanambara ny fiainana aman-tsy fahalòvana tamin'ny Evanjely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.047