Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Timote I toko 2. 1-8
Ny tsy maintsy hivavahana ho an'ny olona rehetra - Fomba fivavaky ny lehilahy sy ny vehivavy.
1 Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an'Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. 3 Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason'Andriamanitra Mpamonjy antsika, 4 izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona, 6 izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voambara tamin'ny fotoany izany, 7 ary ny hitory izany nametrahana ahy ho mpitory sy Apostoly ary ho mpampianatra ny jentily amin'ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tànana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina;