Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-6

11 Koa aoka àry hianao, ry olon'Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izao no ananarako anao eo anatrehan'Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy ny Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pontsy-Pilaty: 14 tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin'ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 15 izay hasehon'Andriamanitra amin'ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo. 16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin'ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita azy na mety hahita azy, ary azy ny voninahitra sy fanjakana mandrakizay. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833