Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Timote II toko 4. 1-2
Famporisihana hitory teny sy hiasa mafy - Hafatra sasany sy fanaovam-beloma.
1 Izao no angatahina aminao, eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Kristy Jeso, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: 2 mitoria ny teny, ary mahareta amin'izany na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva.