Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Timote II toko 4. 6,8,16-18
6 Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako.
8 hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen'ny Tompo mpitsara marina ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny hahatongavany koa. 16 Tsy nisy nanampy ahy tamin'ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan'izy rehetra aho; enga ka tsy hotanana ho helony izany! 17 Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan'ny jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan'ny liona aho. 18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amena.