Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko voalohany

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesoa-Kristy momba ny finoan'ny olom-pinidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy,

2 noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan'ny taona rehetra; 3 fa tamin'ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin'ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika: 4 dia mamangy an'i Tito, zanako malala amin'ny finoana iombonantsika; ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika. 5 Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao:

6 dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy, na maditra. 7 Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin'Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola; 8 fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena, 9 mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany. 10 Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,

11 ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola. 12 Hoy ny anankiray tamin'izy ireny, izay ataony ho mpaminaniny: Ny olona any Kreta dia fandainga lalandava, biby masiaka, kamo be tenda. 13 Filazana marina izany. Ka asio mafy izy ireo mba ho marim-pinoana, 14 sy tsy hihaino izay anganongano foanan'ny Jody, na ny didin'ny olona mihataka amin'ny fahamarinana. 15 Madio ny zavatra rehetra amin'ny olona madio; fa amin'ny olona maloto sy tsy mino kosa, dia tsy misy madio na inona na inona, fa voaloto avokoa na ny sainy na ny fieritreretany. 16 Manao azy ho mahalala an'Andriamanitra izy ireo, nefa mandà azy amin'ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005