Epistolan'i Md. Paoly Ho An'i Tito

Toko faha-2

11 Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,

12 mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony, marina, tia vavaka, 13 miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa-Kristy, 14 izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an'ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0445