Bokin'i Tobia

Toko faha-10

1 Nony mbola nahemotremotr'i Tobia ny fiaingany, azon'ny fampakaram-bady, dia velona ahiahy erý Tobia rainy: Avy amin'inona, hoy izy anankampo, no tratr'ela ny zanako? Inona no antony mitana azy amin'izany tany izany?

2 Dia ho faty ve Gabelosa ka tsy misy olona handraisany ny vola? 3 Izay dia tonga velona mafy ny alahelon'izy sy Anna vadiny, ka rafitra niara-nitomany teo izy ireo, noho ity zanany tsy tafaverina tao aminy tamin'ny fotoana voatondro. 4 Reniny indrindra no namarin-dranomaso tsy an-kijanona nanao hoe: Indrisy! indrisy! anaka, inona foana re no nahirahanay anao any lavitra any, nefa hianao no fahazavan'ny masonay, tohan'ny fahanteranay, fanalana alahelonay amin'ny andro iainanay, ary hianteheranay tsy hahafaty maso anay. 5 Nanana ny zavatra rehetra izahay raha nanana anao irery, ka tsy tokony ho nataonay lavitra anay hianao. 6 Ary hoy Tobia taminy: Aoka izay ny fitarainanao ary aza miahiahy, fa salama tsara ny zanatsika, sady olona tena mahatoky ilay nampandehanintsika hiaraka aminy iny. 7 Tsy azo nampanginina anefa ravehivavy; mivoaka ny trano izy isan'andro izao, mijery atsý sy arý, mankamin'ny lalana rehetra izay azo ampoizina hiverenany, mba hahatazanany azy lavidavitra ahay raha azo atao. 8 Ragoela anefa nilaza tamin'ny vinantony hoe: Mijanòna eto, fa haniraka ho any amin'i Tobia rainao aho, hilaza ny fahasalamanao.

9 Namaly azy Tobia nanao hoe: Fantatro fa efa manisa andro ihany idada sy ineny, ka manahy ery ny fanahiny ao anatiny. 10 Mbola niangavy fatratra tamin'i Tobia ihany indray anefa izy, fa tsy nisy neken'io izay nataony antony, ka natolony azy Sarà, mbamin'ny antsasak'izay nananany rehetra, na ankizilahy, na ankizivavy, na vola izay nananany be, dia navelany handeha izy, salama tsara sy feno hafaliana, nataony hoe: 11 Ho eny amin'ny làlana alehanareo anie ny anjely masin'ny Tompo, ka hitari-dàlana anareo mandra-pahatonganareo soa aman-tsara any aminareo; hiadana tsara anie no aoka hahitanareo ny zavatra rehetra any amin-dray aman-dreninareo, ary hahita ny zanakareo alohan'ny hahafatesako anie ny masoko. 12 Dia nalain-drainy sy reniny ity zanany vavy ka norohany, dia navelany handeha, 13 rahefa avy nohafatrafarany tsara hanaja rafozana, ho tia vady, ho tsara fitondra fianakaviana, hizaka tokan-trano, ary hitahiry tena tsy hanan-tsiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0511