Bokin'i Tobia

Toko faha-12

1 Ary niantso an-janany hankeo aminy Tobia ka nanao taminy hoe: Inona no homentsika an'ity lehilahy masina nanaraka anao tany amin'ny dianao?

2 Dia hoy Tobia namaly an-drainy: Dada ô, inona no valisoa azontsika atolotra azy? Moa misy zavatra mifanentana amin'ny fanampiana nataony? 3 Izy no nitari-dàlana sy nitondra ahy niverina soa aman-tsara, ny tenany no lasa nandray ny vola tany amin'i Gabelosa, izy no nampahazo ahy vady, izay nandroahany demony, sy nahadiboka hafaliana an-drainy aman-dreniny, izy no namonjy ahy tamin'ilay hazan-ndrano efa ndeha handrapaka ahy, izy no nampahita anao ny hazavan'ny lanitra, ary tamin'ny nataony no nahazoantsika izao soa rehetra isan-karazany izao. Koa inona ary no azontsika omena azy, hifandanja amin'izay nataony ho antsika? 4 Kanefa mangataka anao aho, ry Dada, mba hanontany azy raha mba sitrany ihany ny handray ny antsasaky ny harena rehetra nentinay. 5 Dia nantsoin'i Tobia mianaka izy, nentiny nitokana, ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak'izay rehetra nentiny. 6 Tamin'izay ity Anjely niara-nitokana tamin'izy ireo nanao taminy hoe: Misaora an'Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra azy, eo anatrehan'ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo.

7 Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin'ny mpanjaka, fa mendrika hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan'Andriamanitra. 8 Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia sarobidy noho ny volamena aman-drakitra. 9 Fa ny fiantrana manafaka amin'ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay. 10 Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon'ny tenany. 11 Indro ary hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo. 12 Raha hianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha hianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin'ny Tompo. 13 Ary noho hianao sitrak'Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain'ny fakam-panahy hianao.

14 Fa nirahin'ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an'i Sarà vadin-janakao amin'ny demony. 15 Izaho no Rafaela, Anjely, anankiray amin'ireo fito mitsangana eo anatrehan'ny Tompo. 16 Nony nandre izany teny izany izy ireo, dia ana foana, tera-kovitra, lavo tafahohoka tamin'ny tany.

17 Fa hoy ity Anjely taminy: Ho aminareo anie ny fiadanana! 18 Aza matahotra, fa nony niaraka taminareo aho, dia noho ny sitra-pon'Andriamanitra no niarahako taminareo; misaora azy, ary manaova hira fiderana azy. 19 Nataonareo fa nihinana sy nisotro niaraka taminareo aho; kanefa hanina tsy hita no nohaniko sy fisotro tsy hain'ny mason'olombelona takarina. 20 Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin'izay naniraka ahy, fa hianareo kosa misaora an'Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra. 21 Avy niteny izany izy, dia nesorina teo imason'izy ireo, ka tsy hitany hojerena intsony. 22 Tamin'izay dia nihohoka tamin'ny tany izy ireo nandritra ny adiny telo, vao nisaotra an'Andriamanitra, ary nony efa nitsangana avy eo dia nitantara ny asany mahagaga rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0485