Bokin'i Tobia

Toko faha-2

9 Andriamanitra anefa no natahoran'i Tobia noho ny mpanjaka, ka nalainy ihany ny fatin'ireo novonoina, nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina. 10 Indray andro, nony tonga tao amin'ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.

11 Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin'ny akaniny, teo amin'ny masony roa ka tonga jamba izy. 12 Fitsapana navelan'Andriamanitra hihatra aminy izany, mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an'i Joba lehilahy masina. 13 Fa satria hatramin'ny fahazazany, no natahorany an'Andriamanitra, sy nitandremany ny didiny mandrakariva, dia tsy mba nanana alahelo tamin'Andriamanitra izy, tamin'izany azon-doza tonga jamba izany; 14 fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin'ny fahatahorana an'Andriamanitra izy, nisaotra azy isan'andro nandritra ny andro niainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747