Bokin'i Tobia

Toko faha-3

1 Velon-tsento Tobia tamin'izay ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

2 Marina hianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny, ny lalànao rehetra. 3 Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsahivinao ao amin'ny fahatsiarovanao, ny fahotako sy ny an'ny razako. 4 Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin'ny fandrobana, ho amin'ny fahababoana, ho amin'ny fahafatesana sy ho amin'ny fihomehezana ary ho amin'ny fandatsana eo amin'ny firenena rehetra nanelezanao anay. 5 Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin'ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. 6 Koa amin'izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona. 7 Tamin'izay andro izay ihany koa, tany Ekbatana, tanànan'ny Meda, dia nandre ny fanebahan'ny iray amin'ny ankizivavin-drainy azy, Sarà zanakavavin-dRagoela.

8 Fa lehilahy fito no efa samy namoahana azy ho vadiny, nefa nisy demony anankiray atao hoe Asmodea namono an'ireo, raha vao nandeha taminy izy. 9 Ka raha niteny an'ilay ankizivavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin'io azy: Aza hahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany hianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao; 10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao. Raha nandre izany teny izany Sarà dia niakatra tany amin'ny efi-tranon'ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; 11 fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin'Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin'izany fahafaham-baraka izany. 16 Fantatrao, ry Tompo, fa tsy mba naniry izay vady aho, ary niaro ny fanahiko tamin'ny filan-dratsy rehetra. 17 Tsy mba nankany amin'izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin'izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118