Bokin'i Tobia

Toko faha-5

1 Tamin'izay dia hoy ny navalin'i Tobia an-drainy: Hataoko avokoa izay rehetra nasainao hataoko, ry dada.

2 Fa izay hahazoako mandray izany vola izany no tsy fantatro. Izany lehilahy izany tsy mahalala ahy, izy koa tsy fantatro, ka inona no famantarana homeko azy? Ny làlana mankany amin'izany tany izany aza tsy fantatro akory. 3 Dia hoy ny navalin-drainy azy: Eto an-tanako ny sorany, ka raha vantany vao asehonao azy dia averiny aminao ny vola. 4 Fa mandehana amin'izao aloha mitady olona mahatoky hokaramaina hiaraka aminao, mba hahazoanao izany vola izany, dieny mbola velona aho. 5 Vao nivoaka Tobia, dia nahita tovolahy tsara tarehy anankiray, mitsangana sady mihetra toa olona vonon-kandeha.

6 Tsy fantany ho anjelin'Andriamanitra io, ka noarahabainy, dia hoy izy: Avy aiza hianao, ry zatovo soa? 7 Ary namaly ny anjely nanao hoe: Avy amin'ny zanak'Israely aho. Ka hoy Tobia taminy: Mahalala ny làlana mankany amin'ny tanin'ny Meda va hianao? 8 Dia hoy ny navaliny: Fantatro, fa efa niverimberina matetika tamin'ireo làlana rehetra ireo aho, ary efa niantrano tao amin'i Gabelosa rahalahintsika aho, dia ilay monina ao Ragesa, tanànan'ny Meda; miorina ao amin'ny tendrombohitr'i Ekbatana. 9 Ka hoy Tobia taminy: Aza mahafady, mba andraso kely aho; mandra-pilazako izany amin'i Dada. 10 Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy Tobia. Gaga tery rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.

11 Dia niditra izy ary niarahaba nanao hoe: Ho aminao mandrakariva anie ny hafaliana! 12 Fa hoy kosa ny navalin'i Tobia: Hafaliana inona moa no mba mety hananako, izay izaho mitoetra ao anatin'ny aizina sy tsy mba mahita izay hazavan'ny lanitra akory. 13 Ary hoy ity tovolahy taminy: Matokia tsara, fa mora amin'Andriamanitra ny manasitrana anao. 14 Rahefa izany dia hoy Tobia taminy: Mba azonao hatao indrindra va ny hitarika ny zanako ho any amin'i Gabelosa, any Ragesa, tanànan'ny Meda? Fa rehefa tafaverina hianao dia homeko ny karamanao. 15 Hitari-dalana azy aho, hoy ny navalin'ny anjely, ary hitondra azy miverina ho aty aminao koa. 16 Ary hoy Tobia taminy: Raha sitrakao, mba lazao ahy kely, fianakavian'iza moa hianao ary fokon-jovy? 17 Fa hoy ny anjely Rafaela namaly azy: Fa ny fianakaviam-pikarama ve no tadiavinao, sa ny tenan'ny mpikarama hiaraka amin-janakao? 18 Mba hahafak'ahiahy anao anefa, dia izaho no Azariasa, zanak'i Anania malaza. 19 Taranak'Andriana izany hianao, hoy Tobia taminy, ka mifona aminao aho, noho ny naniriako hahalala izay fianakavianao. 20 Ary hoy ity anjely taminy: Hotarihiko soa aman-tsara ny zanakao, dia hoentiko miverina soa aman-tsara indray. 21 Notohizan'i Tobia izay, nataony hoe: Ho tsara mandroso, tsara miverina anie hianareo! Ho any amin'ny làlanareo anie Andriamanitra, ary homba anareo anie ny anjeliny. 22 Nony voaomana ny zavatra rehetra hoentiny any amin'ny dia halehany, nanao veloma an-drainy sy reniny Tobia, dia niara-niainga tamin'ity anjely.

23 Nony lasa izy ireo, dia rafitra nitomany reniny, nanao hoe: Nesorinao tamintsika ny tohan'ny fahanterantsika, ka nampanalavirinao antsika.

24 Inay anie, Andriamanitra, ka tsy nisy na oviana na oviana izany vola nanirahanao azy izany. 25 Fa efa ampy ho antsika izao fahantrantsika izao, ary ny mahita ny zanatsika no mba harena ho antsika. 26 Dia namaly azy Tobia nanao hoe: Aza mitomany, fa ho tonga soa aman-tsara aty amintsika izy, ka hahita azy indray ny masonao. 27 Satria inoako fa misy anjely soan'Andriamanitra anankiray momba azy, ary alamin'izay soa aman-tsara avokoa ny zavatra rehetra tonga aminy, ka ho tafaverina an-kafaliana aty amintsika izy. 28 Rahefa nandre an'izany reniny, dia tsy nitomany intsony fa nangina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909