Bokin'i Tobia

Toko faha-7

1 Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo, ka noraisiny tamin-kafaliana.

2 Vao nahita an'i Tobia Ragoela, dia hoy izy tamin'i Anna vadiny: Akory izany fitovin'ity zazalahy amin'ilay zanak'olo-mianadahy amiko. 3 Avy nilaza izany izy, dia nanao hoe: Avy aiza moa hianareo, ry zatovo rahalahinay? Hoy ny navalin'ireo: Avy amin'ny fokon'i Neftali, babo any Niniva, izahay. 4 Ary hoy Ragoela taminy: Mba fantatrareo va Tobia rahalahiko? Fantatray izy, hoy izy ireo. 5 Ary raha nilaza soa betsaka momba an'i Tobia Ragoela, dia hoy ny anjely taminy: Izay Tobia lazainao izay no rain'ity zazalahy ity. 6 Niaraka tamin'izay dia nihazakazaka nankeny aminy Ragoela ka nanoroka azy tamin-dranomaso, sy nitomany namihina ny vozony. 7 Hotahina anie hianao, anaka, hoy izy, fa zanak'olona tsara fanahy sy tsara indrindra amin'ny olombelona, hianao. 8 Samy latsa-dranomaso koa Anna vadiny sy Sarà zanany vavy. 9 Nony avy niresaka teo izy ireo, nampamono ondralahy iray Ragoela sy nampanamboatra sakafo lehibe dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.

10 Fa hoy Tobia: Tsy hihinana na hisotro eto aho anio, raha tsy ekenao aloha ny fangatahako, ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko Sarà zanaka vavinao. 11 Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany, satria fantany ny nanjo azy fito lahy vadin'io, izay nanatona azy, ka raiki-panahiana sahady izy, fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity. Mbola tao anatin'izany fisalasalana izany izy, ka mbola tsy namaly ny fangatahan'i Tobia, 12 no hoy ity anjely taminy: Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy ho vadin'ity tovolahy ity, fa tsy maintsy ho anjara vadin'io matahotra an'Andriamanitra io izy, ka izany no tsy nahazoan'ny hafa rehetra nanana azy. 13 Dia hoy Ragoela tamin'izay: Tsy misalasala aho, fa efa noraisin'Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko; 14 ary mino aho fa izy no naniraka anareo ho aty amiko, mba hanambadian'ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn'i Moizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy. 15 Dia nalainy ny tànana havanan'ny zanany vavy nataony teo amin'ny tànana havanan'i Tobia ka hoy izy: Homba anareo anie ny Andriamanitr'i Abrahama, ny Andriamanitr'Isaaka, ary ny Andriamanitr'i Jakoba, hanakambana anareo anie izy, ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo. 16 Rahefa izany, naka taratasy izy, dia nosoratany ny fanambadian'izy ireo. 17 Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be tamim-pisaorana an'Andriamanitra izy ireo. 18 Dia nantsoin-dRagoela Anna vadiny, nasainy nanomana efitrano hafa anankiray.

19 Ka nentiny nankao Sarà zanany vavy, izay rafitra nitomany. 20 Fa hoy izy taminy: Matokia tsara, anaka. Ny Tompon'ny lanitra anie hanome hafaliana anao, hisolo ny alahelo efa niaretanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148