Tonon-kira Dia Tonon-kira

Tononkira toko 1
Lohateny sy fampidirana - Tononkira voalohany

       1 Tonon-kira dia tonon-kira, nataon'i Salomona.
       2 Hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany anie izy!
Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
       3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,
diloilo mamerovero ny anaranao,
izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
       4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!
Nentin'ny mpanjaka ho ao an'efi-tranony mitokana aho,
hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,
hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.
An-drariny loatra ny itiavan'ny olona anao!
       5 TENIN'NY AMPAKARINA
Mainty aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, nefa tsara tarehy,
Sahala amin'ny lain'i Sedara, tahaka ny trano lain'i Salomona.
       6 Aza ny hamaintiko no jerena,
fa ny hainandro no nampivalomainty ahy:
tezitra tamiko ny zanak'i neny;
nasainy niandry tanimboaloboka aho,
ny tanimboaloboka, ny ahy, tsy mba nandrasako.
       7 Lazao ahy, ry malalan'ny foko,
izay iandrasanao ny ondrinao,
izay ampandrianao azy raha mitatao vovonana ny andro,
mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho,
eny amin'ny andian'ondrin'ny namanao eny.
       8 NY ANTOKOM-PIHIRA
Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy,
mandehana manaraka ny biby fiompinao,
dia andraso eny akaikin'ny trano bongon'ny mpiandry ondry, ny zanak'osinao.
       9 NY MPAMPAKATRA
Amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Faraona
no ampitahako anao, ry malalako.
       10 Tsara ny takolakao voahodidin'ireo fehivozona,
soa ny vozonao, voahodidin'ireo voahangy maro andalana.
       11 Ny hataonay ho anao dia rado volamena mitentim-bolafotsy.
       12 NY AMPAKARINA
Raha teo amin'ny saofany indrindra iny ny mpanjaka
no nandefa ny fofony kosa ny zava-manitro.
       13 Ho ahy ny malalako, dia mira eran-kitapokely,
izay miondana eo an-tratrako.
       14 Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho,
any an-tanimboalobok'i Engadì!
       15 NY MPAMPAKATRA
Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao!
Masom-boromailala, ny masonao.
       16 NY AMPAKARINA
Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako, eny mahafinaritra hianao.
Ny farafarantsika dia farafaran-java-maitso.
       17 NY MPAMPAKATRA
Sedera ny sakamandimbin-tranontsika;
sipresy ny peta-drindrintsika.