Tonon-kira Dia Tonon-kira

Tononkira toko 2
Tononkira faharoa

       1 NY AMPAKARINA
Izaho, dia narsisa any Sarona,
lisy eny an-dohasaha.
       2 NY MPAMPAKATRA
Toy ny lisy eo afovoan'ny tsilo,
ny malalako eo amin'ny zazavavy.
       3 NY AMPAKARINA
Toy ny foto-paoma any afovoan'ny hazo any an'ala,
ny malalako eo amin'ny zazalahy.
Niriko ny hipetraka eo ambanin'ny alokalony,
ary mamy ao am-bavako ny voany.
       4 Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho,
ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy.
       5 Tohano ampempam-boaloboka aho,
hatanjaho amin'ny paoma aho,
fa matim-pitia ny foko.
       6 Hanondana ahy anie ny tanany havia,
ary hanohona ahy ny tanany ankavanana.
       7 NY MPAMPAKATRA
Ry zanakavavin'i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,
noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha,
aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,
raha tsy efa sitrapony.
       8 NY AMPAKARINA
Injay ny feon'ny malalako, indry tamy izy,
miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;
mitsambikina amin'ny havoana.
       9 Manahaka ny gazela ny malalako,
sy ny zanaky ny serfavavy.
Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay
mijery eo am-baravarankely,
mijery eo amin'ny makarakara.
       10 Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:
Mitsangana, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
       11 Fa indro ny ririnina efa lasa;
ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
       12 Ny voninkazo efa miposaka amin'ny tany;
ny fotoana fihirana efa tonga.
Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
       13 efa mipoitra ny voan'aviavy vao mitsimoka,
ny voaloboka mamony efa mamerovero;
mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko ka avia!
       14 Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato;
eo amin'ny fialofan'ny rindrim-bato mideza,
asehoy ahy ny endrikao,
ampandreneso ahy ny feonao,
fa mamy ny feonao,
ary mahafinaritra ny endrikao.
       15 Isambory ny fosa izahay
ny fosa madinika
izay manimba ny tanim-boaloboka;
fa efa mamony ny voalobokay.
       16 Ahy ny malalako, ary azy aho;
miandry ny ondriny eny amin'ny lisy izy.
       17 Alohan'ny hangatsiatsiahan'ny andro,
sy hahalasanan'ny aloka
mba miverena... Ry malalako, aoka hianao hanahaka
ny gazela na ny zanaky ny serfavavy
eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.