Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-3

1 Teo am-pandriako aho, nony alina, nitady ilay malalan'ny fanahiko; nitady azy aho, fa tsy nahita...

2 Ka hoy aho anakampoko: Andeha hifoha aho hitetitety ny tanana, ny lalambe sy ny kianja, hitady ilay malalan'ny foko. Dia nitady azy aho fa tsy nahita.

3 Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanana: - Mba hitanareo va ilay malalan'ny foko? -

4 Vao tafahoatra an'ireo kely foana aho, dia nahita an'ilay malalan'ny foko. Nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pampiditro azy any an-tranon'i neny, sy any amin'ny efi-tranon'ilay nahitako masoandro.

5 NY MPAMPAKATRA Ry zanakavavin'i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela sy ny serfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitra-pony.

6 NY ANTOKOM-PIHIRA Iza izato miakatra avy any an'efitra, tahaka ny setroka mijoalajoala, manitra mira aman'emboka, mbamin'ny zava-manitra rehetra avy amin'ny mpandranto?

7 Iny eny, ny filanjan'i Salomona; otronin-dehilahy mahery enimpolo, avy eo amin'ireo lehilahy maherin'Israely;

8 samy mitan-tsabatra avokoa, ary zatra ady. Samy eny ambalahany avy, ny sabany, hampisava ny fahatahorana amin'ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy Salomona mpanjaka, tamin'ny hazo avy any Libana.

10 Nataony volafotsy ny andriny, volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana; amborodao ny eo afovoany, asam-pitiavana avy amin'ny zanakavavin'i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Siona, jereo Salomona mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitra, nasatro-dreniny azy amin'ny andro ampakarany vady, amin'ny andro ifalian'ny fony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0993