Tonon-kira Dia Tonon-kira
Tononkira toko 3
Tononkira fahatelo - Tononkira fahaefatra
1 Teo am-pandriako aho, nony alina,
nitady ilay malalan'ny fanahiko;
nitady azy aho, fa tsy nahita...
2 Ka hoy aho anakampoko: Andeha hifoha aho hitetitety ny tanana,
ny lalambe sy ny kianja,
hitady ilay malalan'ny foko.
Dia nitady azy aho fa tsy nahita.
3 Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanana:
- Mba hitanareo va ilay malalan'ny foko? -
4 Vao tafahoatra an'ireo kely foana aho,
dia nahita an'ilay malalan'ny foko.
Nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha,
mandra-pampiditro azy any an-tranon'i neny,
sy any amin'ny efi-tranon'ilay nahitako masoandro.
5 NY MPAMPAKATRA
Ry zanakavavin'i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,
noho ny gazela sy ny serfavavy eny an-tsaha,
aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,
raha tsy efa sitra-pony.
6 NY ANTOKOM-PIHIRA
Iza izato miakatra avy any an'efitra,
tahaka ny setroka mijoalajoala,
manitra mira aman'emboka,
mbamin'ny zava-manitra rehetra avy amin'ny mpandranto?
7 Iny eny, ny filanjan'i Salomona;
otronin-dehilahy mahery enimpolo,
avy eo amin'ireo lehilahy maherin'Israely;
8 samy mitan-tsabatra avokoa,
ary zatra ady.
Samy eny ambalahany avy, ny sabany,
hampisava ny fahatahorana amin'ny alina.
9 Nanao filanjana ho azy Salomona mpanjaka,
tamin'ny hazo avy any Libana.
10 Nataony volafotsy ny andriny,
volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana;
amborodao ny eo afovoany,
asam-pitiavana avy amin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Siona, jereo Salomona mpanjaka,
misatroka ny satro-boninahitra, nasatro-dreniny azy
amin'ny andro ampakarany vady,
amin'ny andro ifalian'ny fony.