Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-4

1 NY MPAMPAKATRA Eny, tsara tarehy hianao, ry malalako; eny tsara tarehy hianao. Masom-boromailala ny masonao saronan'ny voalinao; ny volonao toy ny andrian'osivavy, miantsampitsampy eny an-kosolasolan'ny tendrombohitr'i Galaada.

2 Ny nifinao, toy ny andian'ondrivavy voahety, miakatra avy any amin'ny fampandroana azy, samy manana anaka kambana, ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan'ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan'ny voalinao.

4 Tahaka ny tilikambon'i Davida ny vozonao, izay nataony trano fitehirizam-piadiana, ka ihantonan'ampinga arivo, dia ny ampingan'ny mahery rehetra.

5 Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa, tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray, izay mihinana eny amin'ny lisy.

6 Alohan'ny hangatsiatsiahan'ny andro, sy hahalasanan'ny aloka dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho, sy ho eny amin'ny havoan'ny emboka.

7 Fa tsara tarehy indrindra hianao, ry malalako, sady tsy misy panda aminao!

8 Avia, hiaraka amiko, avy any Libana, ry fofombadiko, avia hiaraka amiko, avy any Libana! Topazo maso avy eny an-tampon'i Amana, avy eny an-tamon'i Sanira sy Hermona, avy any amin'ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.

9 Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofombadiko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao indray mijery monja, tamin'ny singam-boahangy eo amin'ny fehivozonao!

10 Endrey izany hamamin'ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran'ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon'ny hanitrao!

11 Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo; ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao, ary sahala amin'ny fofon'i Libana, ny fofon'ny fitafianao.

12 Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy, loharano voahidy, fantsakana voaisy tombo-kase.

13 Ny tsirinao dia alan'ampongabendanitra, misy sipresy sy narda,

14 narda sy safrana, kanela sy sinamoma, mbamin'ny hazo rehetra misy emboka, mira sy aloesa, mbamin'ny hazo rehetra mahavokatra diloilo manitra tsara indrindra.

15 Loharanon'ny zaridaina, fantsakan-drano velona, sakeli-drano mandeha avy any Libana.

16 NY AMPAKARINA Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo! Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan'ny hazo mahavokatra dity manitra. Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako, ka hihinana amin'ireo voankazony tsara tarehy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0924