Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-6

1 NY ANTOKOM-PIHIRA Lasa nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy? Nitodika nankaiza ny malalanao, hiarahanay aminao hitady azy?

2 NY AMPAKARINA Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako, dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra, hiandry ondry any an-tanimboliny, sy hioty lisy any.

3 An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako; miandry ny ondriny any amin'ny lisy izy.

4 NY MPAMPAKATRA Ry malala, tsara tarehy tahaka an'i Tirsa hianao; ary mahafinaritra tahaka an'i Jerosalema, fa mahatahotra tahaka ny antoko miaramila.

5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampitebiteby ny foko. Ny volonao tahaka ny andian'osy miantsampitsampy eny an-kisolasolan-tendrombohitr'i Galaada.

6 Ny nifinao tahaka ny andian'ondry, miakatra avy any amin'ny fampandroana; samy manana anaka kambana; ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

7 Ny takolakao tahaka ny voan'apongabendanitra misasaka alokalofan'ny voalinao.

8 Misy mpanjakavavy enimpolo, vaditsindrano valopolo, ary zatovovavy tsy hita isa:

9 fa iray monja no voromailalako, ahy tsy misy pentina: vavitokan'ny reniny, zokim-pitian'ilay nahitany masoandro. Ireo zatovovavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra; ireo mpanjakavavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:

10 Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko miaramila?

11 Nidina tany an-tsahan'ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamony ny apongabendanitra.

12 Tsy fantatro, fa nentin'ny fitiavako aho niakatra nitaingina ny kalesin'ny vahoakako be voninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407