Tonon-kira Dia Tonon-kira

Tononkira toko 8
Teny famaranana

       1 Endrey naninona re no tsy anadahiko hianao,
nitsentsitra ny nonon'ineny?
fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao,
nefa tsy hahazo fanesoana amin'izany.
       2 Hitondra anao hiditra ao an-tranon'i neny aho,
dia hampianatra ahy hianao:
ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra,
dia ny ranon'ny apongabendanitra.
       3 Ny tanany ankavia manondana ahy,
ary ny ankavanany manohona ahy.
       4 NY MPAMPAKATRA
Miangavy anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema,
aza fohazinareo ny malalako,
raha tsy efa sitrapony.
       5 NY ANTOKOM-PIHIRA
Iza ity vehivavy, miakatra avy any an'efitra,
mitehina amin'ny malalany?

NY MPAMPAKATRA
- Teo ambanin'ny hazo paoma no namohazako anao,
teo no torontorona anao reninao.
Teo izy no torontorona anao, tao izy no nampahita masoandro anao.
       6 Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho,
sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao;
fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,
tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro,
mirehitra toy ny afo ny firehetany,
dia lelafon'Iaveh.
       7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,
ny ony koa tsy mahasafotra azy.
Raha misy olona hividy fitiavana na amin'ny fananana rehetra ao an-tranony aza
dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
       8 NY ANTOKOM-PIHIRA
Manan-jandrivavy kely
tsy mbola misy nono izahay;
ka hataonay ahoana re ity zandrivavinay,
raha avy izay andro angatahan'ny olona azy?
       9 Raha manda izy,
dia asianay lohamanda volafotsy;
raha varavarana izy,
dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
       10 NY AMPAKARINA
Manda aho,
ary toy ny tilikambo ny nonoko;
ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.
       11 NY ANTOKOM-PIHIRA
Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamona Salomona,
napetrany tamin'ny mpiandry voly ny tanimboaloboka.
Ary ny solom-bokatra aloha ho azy,
dia arivo sikla isan'olona.
       12 NY AMPAKARINA
Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo:
ny arivo sikla no anao anie, ry Salomona,
ary ny roan-jato kosa, an'ny mpiandry ny voany.
       13 NY MPAMPAKATRA
Eh, hianao izay mitoetra eny amin'ny zaridaina,
manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana:
mba ampandreneso izany aho!
       14 NY AMPAKARINA
Mihazakazaha, ry malalako,
manafaha ny gazela
na ny zana-tserfavavy,
eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!