Tonon-kira Dia Tonon-kira

Toko faha-8

1 Endrey naninona re no tsy anadahiko hianao, nitsentsitra ny nonon'ineny? fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao, nefa tsy hahazo fanesoana amin'izany.

2 Hitondra anao hiditra ao an-tranon'i neny aho, dia hampianatra ahy hianao: ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra, dia ny ranon'ny apongabendanitra.

3 Ny tanany ankavia manondana ahy, ary ny ankavanany manohona ahy.

4 NY MPAMPAKATRA Miangavy anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.

5 NY ANTOKOM-PIHIRA Iza ity vehivavy, miakatra avy any an'efitra, mitehina amin'ny malalany? NY MPAMPAKATRA - Teo ambanin'ny hazo paoma no namohazako anao, teo no torontorona anao reninao. Teo izy no torontorona anao, tao izy no nampahita masoandro anao.

6 Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho, sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon'ny Tompo.

7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin'ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

8 NY ANTOKOM-PIHIRA Manan-jandrivavy kely tsy mbola misy nono izahay; ka hataonay ahoana re ity zandrivavinay, raha avy izay andro angatahan'ny olona azy?

9 Raha manda izy, dia asianay lohamanda volafotsy; raha varavarana izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

10 NY AMPAKARINA Manda aho, ary toy ny tilikambo ny nonoko; ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.

11 NY ANTOKOM-PIHIRA Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamona Salomona, napetrany tamin'ny mpiandry voly ny tanimboaloboka. Ary ny solom-bokatra aloha ho azy, dia arivo sikla isan'olona.

12 NY AMPAKARINA Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo: ny arivo sikla no anao anie, ry Salomona, ary ny roan-jato kosa, an'ny mpiandry ny voany.

13 NY MPAMPAKATRA Eh, hianao izay mitoetra eny amin'ny zaridaina, manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana: mba ampandreneso izany aho!

14 NY AMPAKARINA Mihazakazaha, ry malalako, manafaha ny gazela na ny zana-tserfavavy, eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1669