Bokin'i Zakaria

Toko voalohany

1 Tamin'ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan'i Dariosa, ny tenin'ny Tompo dia natao tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zanak'i Adao, nanao hoe:

2 Tezitra mafy tamin'ny razanareo Iaveh. 3 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Miverena amiko hianareo, - teny marin'ny Tompon'ny tafika. 4 Aza manahaka ny razanareo, izay nitorian'ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Miverena hianareo, mialà amin'ny làlan-dratsinareo, sy amin'ny asa ratsinareo? nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory aho, - teny marin'ny Tompo.

5 Ny razanareo aiza intsony ankehitriny? Ary ny mpaminany koa, moa mba nety ho velona mandrakizay va?

6 Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin'ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahan'ny Tompon'ny tafika hatao amintsika araka ny làlantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.

7 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana, izay volana Sabata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, tonga tamin'i Zakaria, mpaminany, zanak'i Barakia, zank'i Adao, ny tenin'Andriamanitra, dia izao:

8 Fahitana no azoko tamin'ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapiny nijanona teo amin'ny hazo mirta, amin'ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly menapiny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.

9 Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay anjely, niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin'ireo. 10 Ary ralehilahy izay teo amin'ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin'ny Tompo hitety ny tany. 11 Ka dia namaly ireo tamin'ny anjelin'ny Tompo, izay teo amin'ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry fahizay avokoa ny tany. 12 Dia niteny ilay anjelin'ny Tompo nanao hoe: Ry Iavehn'ny tafika ô, mandra-pahoviana hianao no tsy hamindra fo amin'i Jerosalema sy ny tanànan'i Jodà, izay itezeranao efa hatramin'ny fitopolo taona? 13 Ary Iaveh nilaza teny soa, teny fampiononana tamin'ilay anjely niresaka tamiko. 14 Ary ity anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa azon'ny fahasarotam-piaro mafy, an'i Jerosalema sy an'i Siona aho. 15 Ary mbola azon'ny fahasarotam-piaro mafy aho hamely ny firenena izay milomano amin'ny harem-be. Satria izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin'ny fandravana ihany.

16 Koa izao no lazain'ny Tompo: Miverina eto Jerosalema amin'indrafo aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin'ny Tompon'ny tafika, ary ny famolaina hohenjanina amin'i Jerosalema.

17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an'i Siona Iaveh, sy mbola hifidy an'i Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1008