Bokin'i Zakaria
Zakaria toko 13
Tsy misy sampy intsony na mpaminany sandoka - Voakapoka ny mpiandry.
1 Amin'izany andro izany, hisy loharano hisokatra,
ho an'ny taranak'i Davida sy ny mponina ao Jerosalema,
hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
2 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany,
- teny marin'Iavehn'ny tafika:
Hofoanako amin'ny tany ny anaran-tsampy,
ka tsy hotononina intsony izany;
ary hesoriko amin'ny tany koa
ny mpaminany mbamin'ny fanahim-pahalotoana.
3 Ary raha misy mbola maminany ihany,
dia hilazan'ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe:
Tsy ho velona hianao, fa nilaza lainga,
tamin'ny anaran'Iaveh!
Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany
no handefona azy eo am-paminaniany eo.
4 Ary hisy zavatra toy izao amin'izany andro izany:
Ny mpaminany samy ho menatra
ny fahitany avy raha maminany izy;
ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony,
mba handainganany.
5 Hisy hilaza hoe: Tsy mpaminany aho,
fa izaho dia olona mpiasa tany;
satria voavidin'olona hatry ny fony mbola kely aho.
6 Ary hisy hilaza aminy hoe; Ka inona itony ratra amin'ny tànanao itony?
ary hovaliany hoe: Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon'ny sakaizako.
7 Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin'Iavehn'ny tafika. Kapohy ny mpiandry, hihahafan'ny ondry. Dia hamerina ny tànako ho amin'ny madinika aho. 8 Amin'ny tany rehetra, - teny marin'Iavehn'ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany. 9 Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin'ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny anarako; ary izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: Oloko izy! Ary izy hilaza hoe: Andriamanitro Iaveh!