Bokin'i Zakaria

Zakaria toko 2
Fahitana ny tandroka efatra sy ny mpanefy efatra - Ny lehilahy mitondra famolaina - Ny halehiben'i Jerosalema, renivohitry ny firenena fonenan'Iaveh.

       1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra. 2 Dia hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireto? Ary hoy izy tamiko: Ireo no tandroka nampihahaka an'i Jodà sy Israely ary Jerosalema.
       3 Ary naneho mpanefy efatra tamiko Iaveh. Ka hoy aho: Tonga haninona ireto? 4 Dia namaly izy nanao hoe: Iretsy no tandroka nampihahaka an'i Jodà, ka tsy nisy olona nanatraka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok'ireo firenena nanagan-tandroka hamely ny tanin'i Jodà mba hampihahaka azy.
       5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tànany. 6 Dia hoy aho: Ho aiza hianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.
       7 Tamin'izay niseho ilay anjely niresaka tamiko, sady nisy anjely anankiray hafa niseho hitsena azy; 8 ka hoy izy taminy hoe: Mandehana faingana, milaza amin'io zatovo io, ataovy hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy. 9 Ary izaho, - teny marin'Iaveh, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.
       10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin'ny tany avaratra,
- teny marin'Iaveh,
fa naeliko eny amin'ny faravazan-tany efatra hianareo
- teny marin'Iaveh.
       11 Avia, ry Siona, vonjeo ny tenanao,
hianao izay monina ao amin'ny zanakavavin'i Babilona!
       12 Fa izao no lazain'Iavehn'ny tafika:
Ho voninahiny no nanirahany ahy
ho any amin'ny firenena nambabo anareo;
satria izay mikasika anareo
mikasika ny anakandria-masony.
       13 Fa indro aho manetsika ny tànako eo ambonin'ireny,
ka izy ireo ho tonga remby ho an'ireo manompo azy;
ary hianareo, hahalala fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy.
       14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Siona,
fa indro aho tamy, ary honina ao afovoanao,
- teny marin'Iaveh.
       15 Amin'izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin'Iaveh,
ka ho vahoakako izy ireo;
ary izaho honina ao afovoanao,
dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao.
       16 Iaveh hanana an'i Jodà ho anjarany
eo amin'ny tany masina;
ary mbola hifidy an'i Jerosalema izy.
       17 Aoka hangina eo anatrehan'Iaveh ny nofo rehetra,
fa hitsangana avy eo amin'ny fitoerany masina izy.