Bokin'i Zakaria

Toko faha-2

5 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tànany.

6 Dia hoy aho: Ho aiza hianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany. 7 Tamin'izay niseho ilay anjely niresaka tamiko, sady nisy anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;

8 ka hoy izy taminy hoe: Mandehana faingana, milaza amin'io zatovo io, ataovy hoe: Honenana toy ny tanàna tsy mimanda Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy. 9 Ary izaho, - teny marin'ny Tompo, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany. 14 Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Siona, fa indro aho tamy, ary honina ao afovoanao, - teny marin'ny Tompo.

15 Amin'izany andro izany, maro ny firenena hiraiki-po amin'ny Tompo, ka ho vahoakako izy ireo; ary izaho honina ao afovoanao, dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731