Bokin'i Zakaria

Zakaria toko 3
Jesosy, mpisorona lehibe, nampangain'i Satana, fa arovan'Andriamanitra kosa, sy tafiany fitafiana madio, ary ilazany ny hahatongavan'ilay Solofo, mpanompony.

       1 Nasehony ahy Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan'ilay anjelin'Iaveh, ary Satana nitsangana teo ankavanan'io mba hanohitra azy. 2 Dia hoy Iaveh tamin'i Satana: Aoka hosakanan'Iaveh hianao, ry Satana, aoka hianao hosakanan'Iaveh, izay nifidy an'i Jerosalema! Tsy forohana nosarihana avy ao amin'ny afo va ity?
       3 Ary nitafy maloto Jesosy sy nitsangana teo anatrehan'ilay anjely. 4 Ary niteny ilay anjely ka nilaza tamin'ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: Esory ny fitafiana maloto eny aminy. Dia hoy izy taminy: Jereo, efa nesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin'ny fety no natafiko anao. 5 Ary hoy aho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Dia nasian'izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay anjelin'Iaveh.
       6 Ka izao no fanambarana nolazain'ilay anjelin'Iaveh, tamin'i Jesosy:
       7 Izao no lazain'Iavehn'ny tafika:
Raha mizotra amin'ny lalako hianao
sy mahatoky hianao amin'ny fanaovana ny raharahako,
dia hanapaka ny tranoko koa hianao;
sy hiambina ny kianjako,
sady havelako malalaka hiditra
ho isan'ireto izay mitoetra aty.
       8 Mihainoa ary, ry Jesosy, mpisorona lehibe, hianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao:
- fa olona hatao fambara ireo: -
Indro aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
       9 Fa inty ny vato napetrako eo anoloan'i Jesosy;
maso fito no amin'izay vato tokana izay;
indro aho efa hisokitra ny hosokirina aminy,
- teny marin'Iavehn'ny tafika,
ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity!
       10 Amin'izany andro izany, - teny marin'Iavehn'ny tafika,
samy hifanasa avy hianareo,
eo ambanin'ny voaloboka sy eo ambanin'ny aviavy.