Bokin'i Zakaria

Toko faha-4

1 Niverina ilay anjely niresaka tamiko, ary nofohaziny, toy ny famoha olo-matory, aho,

2 sy nilazany hoe: Inona no hitanao? Ka hoy ny navaliko azy: Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin'ireo lalampy eo an-tampon'ny fanaovan-jiro. 3 Ary hazo oliva roa no manotrona azy, ny iray eo an-kavanan'ny tavy, ary ny iray eo an-kaviany. 4 Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona no hevitr'ireo zavatra ireo, tompoko?

5 Namaly ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ny hevitr'ireo zavatra ireo? Ary hoy ny navaliko azy: Tsia, tompoko. 6 Dia namaly niteny ilay anjely ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'ny Tompo amin'i Zorobabela, izany hoe: Tsy amin-tafika, na amin-kery, fa amin'ny Fanahiko, hoy Iavehn'ny tafika. 7 Iza moa hianao, ry tendrombohitra lehibe, eo anoloan'i Zorobabela? Ho tany lemaka ihany hianao, ary izy hanangana ny vato hatao tendrony, eo amin'ny fihobiana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! 8 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

9 Ny tànan'i Zorobabela no nametraka ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho aminao. 10 Fa iza no hanamavo ny andron'ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tànan'i Zorobabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason'ny Tompo mitety ny tany rehetra. 11 Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: Inona ireto hazo oliva roa, eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany?

12 Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: Inona ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny lantonoara volamena, ikararanam-bolamena, ireo? 13 Niteny tamiko izy nanao hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ka hoy ny navaliko azy: Tsia, tompoko. 14 Ary hoy izy tamiko: Ireo no zanaka roan'ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin'ny Tompon'ny tany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371