Bokin'i Zakaria

Toko faha-6

1 Natopiko indray ny masoko ka nahita aho: Dia indro kalesy efatra nivoaka avy tao anelanelan'ny tendrombohitra roa, ary tendrombohitra varahana ireo tendrombohitra ireo.

2 Ny kalesy voalohany nisy soavaly menapiny, ny kalesy raharoa, nisy soavaly mainty; 3 ny kalesy fahatelo, nisy soavaly fotsy, ary kalesy fahefatra, nisy soavaly sadamena mavitrika. 4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho, ka nanao hoe: Iza moa ireto, tompoko? 5 Ary namaly ahy ny anjely, ka nanao hoe: Ireo no virotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra. 6 Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty ho nivoaka ho amin'ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin'ny tany atsimo. 7 Nony nivoaka ireo mavitrika, dia nangataka hiainga mba hitety ny tany; ka hoy ny anjely tamin'ireo: Mandehana mitety ny tany; dia nitety ny tany ireo. 8 Ary niantso ahy izy, ka nanao tamiko hoe: Jereo, fa ireo nivoaka ho amin'ny tany avaratra, dia nampionona ny fanahiko tamin'ny tany avaratra. 9 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

10 Handray avy eo an-tànan'ireo babo hianao, dia avy eny an-tànan'i Holdai sy Tobia ary Idaia; - ka ny tenanao no handeha amin'izany andro izany ho any an-tranon'i Josiasa, izay nidiran'izy ireo, nony vao tonga avy any Babilona izy, - 11 ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satro-boninahitra, dia ataovy eo an-dohan'i Jesoasy, mpisorona lehibe, zanak'i Josedeka. 12 Lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin'ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin'ny Tompo. 13 Izy no hanao ny tempolin'ny Tompo, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin'izy roaroa. 14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema, Tobia, Idaià ary Hena, zanak'i Sofonia, ho fahatsiarovana ao an-tempolin'ny Tompo. 15 Ho tonga hanao ny tempolin'ny Tompo ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa Iavehn'ny tafika no naniraka ahy ho atý aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon'ny Tompo hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1296