Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Filipiana

Toko faha-3

7 Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko ho faty antoka noho ny amin'ny Kristy. 8 Eny, mbola ataoko ho faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin'ny fahambonian'ny fahalalana ny Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako ny Kristy, dia ataoko ho fako, fako foana ny zavatra rehetra,

9 mba ho hita ao aminy aho, tsy amin'ny fahamarinan'ny tenako, na ilay avy amin'ny Lalàna, fa amin'ilay avy amin'ny finoana ny Kristy, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra noho ny finoana; 10 mba hahalala azy aho, dia izy sy ny herin'ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiombonana amin'ny fijaliany, ka ho tonga toa azy amin'ny fahafatesany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.129