Toko faha-12
5
ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: Anaka, aza mba ketraka amin'ny fananarany anao;
6
fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny.
7
Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin'ny rainy?
8
Raha tsy faizina toy ny zanaka rehetra hianareo, dia tsy mba zanaka fa zaza sary.
9
Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika.
10
Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitra-pony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin'ny fahamasinany.
11
Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy.
12
Koa henjano ny tànana miraviravy sy ny lohalika miketraka;
13
ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.