Bokin'Izaia

Toko faha-2

1 Ny teny hitan'Izaia, zanak'i Amosa momba an'i Jodà sy Jerosalema.

2 Izao no ho tonga any amin'ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon'ny Tompo, hatao eo an-tampon'ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin'ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,

3 ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakoba; hampianatra antsika ny làlany izy, ary hizotra amin'ny làlany isika. Fa avy any Siona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'ny Tompo.

4 Ho mpanelanelana amin'ny vahoaka izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin'omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona

5 Avia, ry taranak'i Jakoba, ka aoka handeha amin'ny fahazavan'ny Tompo isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0982