Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Jenezy

Jenezy toko 12, 1-4
Fiantsoan'Andriamanitra an'i Abrama ho any Kanaana - Ny nivahinianan'i Abrama tany Ejipta.

       1Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao. 2Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
       4Dia niainga Abrama araka ny tenin'ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa Lota. Efa dimy amby fito-polo taona Abrama fony izy niala tany Haràna. >