Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-15

1 Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.

2 Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. 3 Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. 4 Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa hianareo raha tsy mitoetra ao amiko. 5 Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo. 6 Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. 7 Raha mitoetra ao amiko hianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo hianareo, ka hatao aminareo izany. 8 Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be hianareo sy tonga mpianatro. 9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin'ny fitiavako hianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko hianareo no hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy itoerako amin'ny fitiavany. 11 Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1207