Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-13

18 Dia hoy koa Jesoa: Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?

19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voro-manidina ny rantsany. 20 Dia hoy indray izy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? 21 Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarina rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0506