Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-17

5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.

6 Fa hoy ny Tompo: Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: Miongòta, ka mifindrà any anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. 7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: Metia faingana, ary mipetraha hihinana. 8 Moa tsy izao aza no holazainy aminy: Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro hianao? 9 Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? 10 Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa hianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1183