Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 23, 35-43
<35Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa azy nanao hoe: Namonjy ny sasany izy ka aoka hamonjy ny tenany, raha izy no Kristin'Andriamanitra, ilay voafidy. 36Ny miaramila koa naneso azy ka nanatona nanolotra vinaingitra azy, 37ary nanao hoe: Raha hianao no mpanjakan'ny Jody, vonjeo ny tenanao.
       38Teo ambonin'ny lohany koa dia nisy soratra tamin'ny teny greka sy latina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JODY. 39Ary ny anankiray tamin'ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva azy nanao hoe: Raha hianao no Kristy, vonjeo ny tenanao sy izahay. 40Fa nanarin'ilay anankiray izy, nataony hoe: Ialahy koa ve tsy matahotra an'Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? 41Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika; fa ny azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona izy. 42Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin'ny fanjakanao hianao. 43Ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao. >