Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-16

16 Namaly Simona Piera ka nanao hoe: Hianao no Kristy zanak'Andriamanitra velona. 17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301