Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-17

16 Ary namaly Jesoa nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy. 17 Dia norahonan'i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin'izay razazalahy. 18 Tamin'izay, dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Nahoana no tsy naharoaka azy izahay? 19 Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo, hoy Jesoa taminy. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erý hianao, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo hatao. 20 Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin'ny fivavahana sy amin'ny fifadian-kanina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1244