Ny Salamo

Salamo toko 122
Ny fahatongavana ao amin'ny Tanàna masina.

       1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida.
Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe:
Andeha isika ho any an-tranon'Iaveh!
       2 indro fa tapitra ny dianay
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
       3 Ry Jerosalema, hianao voaorina toy ny tanàna,
izay iraisan'ny zavatra rehetra.
       4 Ao no iakaran'ny foko,
dia ny fokon'Iaveh,
araka ny lalàn'Israely,
mba hidera ny anaran'Iaveh.
       5 Voapetraka ao ny seza fitsarana,
dia ny sezan'ny fianakavian'i Davida.
       6 Manaova fanirian-tsoa ho an'i Jerosalema:
ho sambatra anie ilay tia anao!
       7 Hanjaka ao anatin'ny mandanao anie ny fiadanana,
ary ao an-dapanao ny fanambinana.
       8 Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako,
dia mangataka fiadanana ho anao aho.
       9 Noho ny tranon'Andriamanitsika,
dia maniry fahasambarana ho anao aho.