Ny Salamo

Toko faha-23

1 Salamon'i Davida. Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

2 Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;

3 mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin'ny lala-mahitsy; noho ny anarany.

4 Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa hianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.

5 Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko hianao, manosotra diloilo ny lohako hianao, feno mitafotafo ny kapoakako.

6 Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin'ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon'ny Tompo aho, mandritra ny andro lava.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1328