Momba ny takelaka

Efa ela ihany no naniriana ny mba hisian'ny baiboly katolika azo vakiana amin'ny internet toa izao. Noho ny fitahian'Andriamanitra sy ny fifanampiana nisy teo amin'ireo izay niaraka nieritreritra izany dia indro tontosa izy amin'izao fotoana izao. Isaorana azy Tompo lehibe izany ary angatahana aminy mba ho voninahitry ny Anarany irery ihany, hanampy hahatonga ny Fanjakany ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Isaorana koa ireo rehetra izay niara-niasa.

Ny dikanteny

Ny dikanteny izay miasa eto amin'ity baiboly.katolika.org ity dia somary efa tranainy ihany. Noho ny antony samihafa dia ny dikanteny nivoaka tamin'ny taona 1938 no ho hitanao ato. Noho io dikanteny io somary tranainy ihany anefa dia ahitsinay miandalana ny teny fampiasa. Ny fehezanteny tsy miova fa ny teny no ovaina hifanaraka amin'ny teny malagasy ofisialy. Ohatra, ny "Hianao" novaina "Ianao", ny "Jeso" novaina "Jesoa" sns.

Ny niara-niasa

Ny lahatsoratra izay hitanao ato dia lahatsoratra nadika tanana, noezahina nahitsy isaky ny andininy. Olona nanolo-tena avy ao amin'ny serasera.org avokoa no nanao izany asa izany koa isaorana etoana.

Anisan'ny fototra lehibe ny nahazoana ny andininy rehetra avy amin'i Isabelle Razafimanalina izay nanome ny andininy sy nanao fanitsiana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Teo ihany koaRondro Ravalson izay namerina namaky sy nanitsy ary nanapatapaka ny andininy hifanaraka amin'ny boky. Ireo namana izay niara-nikatroka rehetra toa andry ari.malalapissoaikaretsaka sy ireo tsy voatanisa izay nanampy hatramin'ny farany. Mbola tsikaritra fa misy diso tsipelina matetika ny lahatsoratra ato amin'ny baiboly.katolika.org koa isanandro koa dia mbola misy ny fanitsiana ataon'i Isabelle sy Rondro.

Ny mpampiatrano

Ny mampiantrano ity takelaka ity dia ny serasera.org, isaorana ihany koa ireo mpiara-miasa ao amin'ny serasera.org izay manome ny fahafahana hanatanteraka izany.

Fanontaniana

Raha toa ka misy fanontaniana na sosokevitra tianareo hapetraka momba ity takelaka ity dia aza misalasala manoratra amin'ny adiresy contact@katolika.org fa hovaliana.

 

Takelaka nisokatra androany 6 aogositra 2007 

Heriniaina Eugene

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955