Jenezy toko 1
Ny nahariana an'izao tontolo izao.
1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.
9Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany. 10Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
14Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; 15ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. 17Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
20Hoy Andriamanitra: Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany, eny amin'ny habakabaky ny lanitra. 21Dia noharin'Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin'ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin'ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22Dia nitsodrano an'ireo Andriamanitra nanao hoe: Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin'ny tany. 23Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.
24Hoy Andriamanitra: Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy. Dia tanteraka izany. 25Nataon'Andriamanitra ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin'izay rehetra mikisaka amin'ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
26Rehefa izany dia hoy Andriamanitra: Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin'ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin'ny tany. 27Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin'Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. 28Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazan-drano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin'ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany. 29Ary hoy Andriamanitra: Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin'ny tany, mbamin'ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. 30Fa ho an'ny bibin'ny tany mbamin'ny voro-manidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, ka manam-pofon'aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany. Dia tanteraka izany. 31Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Jenezy toko 2
Ny Paradizy - Ny namoronana ny vehivavy.
1Toy izany no nahavitan'ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra nomba azy. 2Ary tamin'ny andro fahafito dia efa vitan'Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin'ny andro fahafito izy nitsahatra tamin'ny asa rehetra nataony. 3Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany andro izany no nitsaharany tamin'ny zavatra rehetra nohariny tamin'ny nanaovany azy.
4Izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany, rehefa voahary izy, rehefa vitan'ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.
5Teo ambonin'ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin'ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy. 6Nefa nisy entona niakatra avy amin'ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.
7Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. 8Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. 9Ary nampanirin'ny Tompo Andriamanitra tamin'ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon'aina tao afovoan'ny saha, ary ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10Nisy ony anankiray nivoaka ao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra. 11Fisòna no anaran'ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena. 12Ary tsara ny volamena amin'izany tany izany. Any koa no misy ny bdelioma sy ny vato oniksa. 13Geona no anaran'ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra. 14Tigra no anaran'ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan'i Asora. Ary Eofrata no anaran'ny ony fahefatra.
15Dia nalain'ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin'ny sahan'i Edena, mba hiasa sy hiandry azy. 16Ary Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin'ny saha. 17Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy hianao amin'ny andro hihinananao. 18Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. 19Ary Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin'ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin'ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran'ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.