Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko voalohany

1 Izay efa nisy hatramin'ny voalohany, sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana; -

2 fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay, - 3 eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany. 4 Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo. 5 Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy aizina akory ao aminy.

6 Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina. 7 Fa raha mandeha amin'ny mazava toa azy ao amin'ny mazava koa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny ran'i Jesoa-Kristy Zanany dia manadio antsika amin'ny ota rehetra. 8 Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.

9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin'ny tsy fahamarinanana rehetra. 10 Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086