Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-2

1 Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin'ny Ray isika, dia Jesoa-Kristy, ilay marina.

2 Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao koa. 3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.

4 Izay milaza ho mahalala azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. 5 Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa ; ary amin'izany no ahafantarana fa ao aminy isika. 6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa. 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela izay efa azonareo hatramin'ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.

8 Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo, izay hita marina amin'ny Kristy sy aminareo, fa efa misava ny aizina, ary miposaka sahady ny fahazavana marina. 9 Izay milaza azy ho ao amin'ny fahazavana, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny aizina ihany. 10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy. 11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin'ny aizina sy mandeha amin'ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban'ny aizina ny masony. 12 Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.

13 Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy hianareo. 14 Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray hianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery hianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo. 15 Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin'izao tontolo izao. Fa izay tia an'izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.

16 Satria ny zavatra rehetra amin'izao tontolo izao, ny filàn'ny nofo, ny fitiavan'ny maso, ny rehaka amin'izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitra-pon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 18 Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.

19 Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra. 20 Fa hianareo kosa dia voahosotr'ilay masina, ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Tsy noho hianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho hianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin'ny marina. 22 Iza no mandainga raha tsy izay mandà fa i Jesoa no Kristy? Ary ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. 23 Izay rehetra mandà ny Zanaka, dia tsy manana ny Ray koa; fa izay manaiky ny Zanaka ihany no manana ny Ray. 24 Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin'ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin'ny voalohany, dia mitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray koa hianareo.

25 Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay. 26 Nanoratra izany ho anareo aho, ny amin'ireo manangoly anareo.

27 Ary hianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona hianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo. 28 Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rahefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin'ny andro hahatongavany. 29 Raha fantatrareo fa marina izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany naterany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2578