Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-4

1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin'Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin'izao tontolo izao.

2 Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin'Andriamanitra: ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo Jesoa-Kristy dia avy amin'Andriamanitra. 3 Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesoa, dia tsy mba avy amin'Andriamanitra, fa fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa tonga eo amin'izao tontolo izao sahady aza ankehitriny. 4 Avy amin'Andriamanitra hianareo, anaka, sady efa nandresy an'ireny, satria lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

5 Avy amin'izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin'izao tontolo izao, sy ihainoan'izao tontolo izao azy. 6 Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra, ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Adriamanitra tsy mba mihaino anay; izany no ahafantarantsika izay fanahin'ny fahamarinana, sy izay fanahin'ny hadisoan-kevitra. 7 Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9 Ary nampiseho ny fitiavany antsika izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany lahitokana ho amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. 12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana azy.

13 Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary izy ao amintsika. 14 Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. 15 Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. 16 Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 17 Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin'ny andro fitsarana, satria nanahaka azy tamin'ity fiainana ity.

18 Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan'izay matahotra. 19 Aoka ho tia an'Andriamanitra àry isika, fa izy no efa tia antsika taloha. 20 Raha misy milaza azy ho tia an'Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra tsy hitany?

21 Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0519