Epistola Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-5

1 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa.

2 Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. 3 Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, 4 satria izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra? 6 Dia izy no ilay avy tamin'ny rano sy ny rà; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

7 Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. 8 Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. 9 Raha ny fanambaran'ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran'Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran'Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra. 10 Koa izay mino ny Zanak'Andriamanitra dia manana izany fanambarana izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an'Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambarany ny Zanany. 11 Ary izany fanambarana izany dia izao: nomen'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 12 Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana. 13 Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay hianareo izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra.

14 Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika izy.

15 Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahantsika aminy dia azontsika. 16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an'izay manota tsy ho amin'ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin'ny fahafatesana; tsy mba ny amin'izany no ilazako hoe tokony hivavaka.

17 Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra fa misy fahotana tsy ho amin'ny fahafatesana. 18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay naterak'Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay ratsy.

19 Fantatsika fa avy amin' Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an'Andriamanitra marina; ary ao amin'izany Andriamanitra marina izany isika; satria ao amin'i Jesoa-Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 21 Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377