Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
1 Korintiana toko 1
Fiarahabana - Fisaorana an'Andriamanitra - Aoka hofoanana ny fisarahan-kevitra - Lavina ny fahendren'izao tontolo izao - Ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra.
1Paoly voaantso ho Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahy 2mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Korinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa-Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: 3ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo.
4Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy: 5fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; 6ary noho ny niorenan'ny Evanjelin'ny Kristy eo aminareo, 7dia tsy latsa-danja noho ny hafa hianareo amin'ny fahasoavana rehetra, any ka miandry amim-pitokisana ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 8Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny hianareo amin'ny andron'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 9Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin'ny Zanany, dia Jesoa-Kristy Tompontsika.
10Mihanta aminareo amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, aho, ry rahalahy, mba hiray teny daholo hianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa hianareo. 11Reko tamin-dry Kloe anie ny aminareo eo, fa hoe misy fifandirana ao aminareo; 12izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: Izaho an'i Paoly; ny sasany kosa manao hoe: Izaho an'i Apolo, na izaho an'i Sefasy, na izaho an'ny Kristy! 13Voazarazara va ny Kristy? Ary Paoly va no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana ho anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no natao batemy hianareo? 14Misaotra an'Andriamanitra aho, fa tsy nisy nataoko batemy hianareo, afa-tsy Krisposa sy Kaïosa, 15mba tsy hisy hahazo milaza fa natao batemy tamin'ny anarako. 16Nataoko batemy ihany koa ny fianakavian'i Stefanasy, fa tsy hitako izay nataoko batemy afa-tsy ireo.
17Tsy ny hanao batemy no nanirahan'ny Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny laha-teny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny hazo fijalian'ny Kristy. 18Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny hazo fijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, 19satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. 20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao ka dia hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena an'izay mino. 22Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona.
26Jereo ange, ry rahalahy, izato hianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana! 27fa izay ataon'izao tontolo izao ho adala no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28ary izay iva razana amana faneso amin'izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy mizy aza, no nofidin'Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, 29mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30Fa avy aminy no maha-ao amin'ny Kristy Jesoa anareo, dia ilay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, 31mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany. >